• Miantso ny rehetra handray anjara amin'ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM. Tsy hihemotra intsony ny fitarihana izany, hoy ny Filohany, tamin'ny famaranana ny Komity Foibe faha-47 androany, teny Antanimena... • Hakana hevitra eny Antaninarenina ny mpanjifa rehetra, hanavaozana ny tontolon'ny fanjifana eto Madagasikara. Lohahevitra maro mifandray amin'ny fanjifana no handraisana hevitra amin'izany... • Natao ho andro tsy fiasana nefa handraisan-karama ny alarobia 27 mey 2026. Miantso ny mpampiasa handray fepetra mifanaraka amin'izany ny Minisiteran'ny Asa sy ny Asam-panjakana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...