♦ Nankalazaina omaly ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristiana. Ankizy mpianatry ny Ivon-toeram-piofanana arak'asa tantanan'ny Saleziana ety Ivato no nandray fahasoavana tamin'izany... ♦ Hiroso amin'ny fandaminana vaovao hanalefahana ny toham-boivoy ny tanàna an'Antananarivo. Kasaina hampiharina amin'ireo lalana miditra ny renivohitra ny antsoina hoe "Circulation alternée"... ♦ Voasazy higadra roa taona sazy mihatra ny Ben'ny Tanàna an'Antehiroka teo aloha, Lalaina Vatosoa, raha ny didim-pitsaràna navoakan'ny Pac. Nomelohina noho ny fivarotana tanin'olona niampy fanararaotam-pahefana izy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...