♦ Nahazo fitaovana avy amin'ny fanjakàna rosianina hanarenana ny fahasimbana vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Fitia sy Gezani tamin'ity taona ity i Madagasikara. Nandray izay tety Ivato omaly ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Miezaka mampiroborobo hatrany ny lalam-pihariana Volibe na ny Bambou eto Madagasikara ireo mpisehatra aminy. Fanamby hotratrarina amin'ny tetik'asa vaovao ny fanomezana lanja ny indostria ho an'ny volibe... ♦ Haka ny hevitry ny olom-pirenena momba ny fanatsaràna ny drafi-panajariana an-tanan-dehibe manerana an'i Madagasikara ny MInistera tompon'andraikitra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...