♦ Nanatitra ny fanambaram-pananana teny amin'ny Fitsaràna avo momba ny Lalam-panorenana ireo mpikambana ao amin'ny governemanta. Nanao toa izany teny amin'ny toby ny Jeneraly Ramarolahy Philibert ihany koa ny tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny zandarimariam-pirenena... ♦ Natao teny Antanimena ny atrik'asa nandrindràna ny asa ho an'nireo mpisehatra rehetra voakasiky ny tetik'asa momba ny fanatsaràna ny tontolon'ny fandraharahana sy ny fanamorana ny fifanankalozana ara-barotra tohanan'ny vondrana erôpeana sy ny ministera federaly alemana momba ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampandrosoana MBZ...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...