♦ Namoaka fanambaràna momba ny raharaha tsy fandriam-pahalemana tato ho ato ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Nametraka fepetra hentitra ho an'ny fiatrehana ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea ny Ministeran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony. Hentitra ny fisavàna amin'ny fitondrana finday mandritra izany... ♦ Ampy tsy misy hatahorana ny famatsiana sy ny tahirin-tsolika eto Madagasikara hoy ny Ministeran'ny Angovo ka tsy misy ifandraisany amin'izany ny famerana ny fanjifàna eny amin'ny toby mpaninjara... ♦ Mikasa ny haka haba amin'ny sambo mandalo ao amin'ny Detroit d'Ormuz ny filoha Amerikana...