♦ Tanterahina amin'ity herinandro ity ny fanadinam-panjakàna hahazoana ny "Certificat d'Aptitude Professionnelle", hitohy hatramin'ny alakamisy 16 jolay izao. Miisa 1.397 ireo mpiadina miatraka ny CAP amin'ity taona ity... ♦ Notoloran'i Etazonia fanampiana ara-pahasalamana mitentina 2,2 tapitrisa Dolara i Madagasikara. Isan'izany ny lay misy odimoka, fitaovana ara-pahasalamana sy labaoratoara ary fitaovana Starlink miisa 33... ♦ Namaly ireo nanangana "comité ad'hoc" izay nilaza ny hitantana sy hanala azy amin'ny andraikiny ny Federasiôna karate malagasy... ♦ 38.000 mahery ireo mpifindramonina nompodiana niala tao Afrika-Atsimo...