♦ Nampitovy hevitra ka naharafitra volavolan-dalàm-panorenana ireo mivoy ny foto-kevitra Federalisma eto Madagasikara. Tsy fizarazarana ny firenena hoy izy ireo ity rafitra ity... ♦ Mitaky ny hanesorana ireo sefo Fokontany notendren'ny fitondrana teo aloha ny antoko TIM. Voasaringotra amin'ny raharaha maloto samihafa izy ireo hoy ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, ny solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona... ♦ Tsirihana amin'ny alalan'ny atrik'asa eny Antaninarenina ireo hirika rehetra mety hidiran'ny kolikoly amin'ny fakàna ny haban-tsena eo anivon'ny Kaominina Antananarivo-renivohitra...