♦ Nampitovy hevitra ka naharafitra volavolan-dalàm-panorenana ireo mivoy ny foto-kevitra Federalisma eto Madagasikara. Tsy fizarazarana ny firenena hoy izy ireo ity rafitra ity... ♦ Mitaky ny hanesorana ireo sefo Fokontany notendren'ny fitondrana teo aloha ny antoko TIM. Voasaringotra amin'ny raharaha maloto samihafa izy ireo hoy ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, ny solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona... ♦ Tsirihana amin'ny alalan'ny atrik'asa eny Antaninarenina ireo hirika rehetra mety hidiran'ny kolikoly amin'ny fakàna ny haban-tsena eo anivon'ny Kaominina Antananarivo-renivohitra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...