♦ Nilamina ny tapak'andro maraina ho an'ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea hoy ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Ministry ny Fampianarana Teknika raha nitsidika ny foibem-panadinana teny amin'ny Lycée Rabearivelo sy Lycée Technique Mahamasina...  ♦ Hanokatra ny varavarany hampahafantatra ny asany ho an'ny daholobe ny Fitsaràna Tampony manomboka rahampitso talata 21 jolay ary tsy hifarana raha tsy amin'ny zoma 24 jolay, izao... ♦ Efa vita tatitra any amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny olona voasaringotra tao ambadik'ilay raharaha fanotorana tany teny amin'i By-Pass, hoy ny MInisitry ny Fanajariana ny tany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...