• Tsy maintsy vahan'ny orinasa ENELEC ao anatin'ny herinandro ny olan'ny famatsiana herinaratra any Toamasina, Mahajanga ary Antsiranana. Handray fanapahan-kevitra ny fitondrana, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, raha tsy tanteraka izany... • Tokony hofoanana na ahitsy ny fifanarahana mahakasika ny famatsiana herinaratra ho an'Antsiranana, izay ataon'ireo orinasa tsy miankina. Misy fanambakana sy ahitana endrika kolikoly ary misy tsy mazava izany, hoy ny Vaomiera mpanadihady avy amin'ny Antenimieram-pirenena... • Hentitra ny fisavana ireo mpiadina nandritra ny fanombohana ny fanadinana Bakalorea androany. Nilamina ny fozotran'ny fanadinana manerana ny nosy...