♦ Tsy maintsy vahan'ny orinasa ENELEC ao anatin'ny herinandro ny olan'ny famatsiana herinaratra any Toamasina, Mahajanga ary Antsiranana. Handray fanapahan-kevitra ny fitondrana hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, raha tsy tanteraka izany... ♦ Tokony ho foanana na ahitsy ny fifanarahana mahakasika ny famatsiana herinaratra ho an'Antsiranana izay ataon'ireo orinasa tsy miankina. Misy fanambakàna sy ahitàna endrika kolikoly hoy ny Antenimieram-pirenena... ♦ Hentitra ny fisavana ireo mpiadina nandritra ny fanombohana ny fanadinana bakalôrea omaly...