♦ Nivoaka ny fifanarahana ho an'ireo orinasa hiara-hiasa ami'ny AVM any amin'ny Faritra Diana sy Sofia. Afaka miroso amin'ny fividianana  lavanila maitso eny amin'ny tantsaha ireo orinasa voafantina... ♦ Tsy tokony atao resaka politika fotsiny ny fizotry ny fanadihadiana ao amin'ny orinasa JIRAMA hoy Andriamatoa Andrianainarivelo Hajo fa takiana mihitsy ny tena hivoahan'ny marina... ♦ Mbola nibata fandresena ny ekipam-pirenena Malagasy Ankoay zazalahy latsaky ny 18 taona. Resiny tamin'ny 88 no ho 44 i Zimbabwe, fifanintsanana afrobasket... ♦ Misy ny filazana fanairana amin'ny mety hisian'ny tsunami any Japon...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...