♦ Tontosaina mandritry ny 3 andro etsy amin'ny CCI Ivato ny fikaonandohan'ny tanora ho an'ny sehatra nasiônaly. Lohahevitra amin'izany ny hoe : manome feo ny tanora, ho an'ny fanavaozana ny Firenena... ♦ Zo voafaritry ny lalàna notapahana tamin'ny filan-kevitry ny Minisitra ny fisitrahana tamby ho an'ny fanofana trano (Indemnité de logement) ho an'ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana hoy ny Ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana... ♦ Zazalahy kely 2 taona no maty tsy tra-drano teny Tsaramasay Ankorondrano androany maraina. Voahitsaky ny fiara tsy mataho-dalana...