♦ Haravona mandritry ny 3 andro nanomboka omaly etsy amin'ny CCI Ivato ireo fehin-kevitra voahangona nandritry ny fikaonandohan'ny tanora tany amin'ny Faritra samihafa. Hatolotra ny fitondram-panjakàna sy ny FFKM izany rehefa vita... ♦ Namoaka tenimita amin'ny fomba fampiharana ny fandoavana ny tambin-karama momba ny trano fonenana ho an'ireo mpiasa eny anivon'ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana... ♦ Foire Meva 2026 : Tontosaina ao Antsiranana mandritra ny 4 andro ny tsenabe ara-toekarena ho an'ny Faritra Diana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...