♦ Nomen'ny Fanjakàna ho ampiasain'ny FFKM hikarakaràna ny fikaonan-doham-pirenena ny Village Voara Andohatapenaka. Nanolotra tamin'ny fomba ôfisialy omaly tolak'andro io foto-drafitr'asa io, ny Minisiteran'ny Fanajariana ny Tany... ♦ Efa anatin'ny fisoratana anarana ny ankamaroan'ny sekoly amin'izao 1 volana mahery, mialoha ny fidiran'ny mpianatra izao. Misy efa mahatratra 60% ny taham-pisoratana anarana ho an'ny sekoly sasany... ♦ Nahitàna vato kristaly milanja 465kg tany amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro. Nosamborina sy hanaovana fanadihadiana ireo olona 3 nitondra io vato io...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...