♦ Tokony horavàna ny lalàna nanafoana ny fitsinjaram-pahefàna tena izy hoy Andriamatoa Randriamanefa Henri Charles. Io lalàna io no nambara'ity mpanao pôlitika ity fa tsy nampandroso ny Firenena... ♦ Nakarin'ny Banky foiben'i Madagasikara ho 12% ny tahan-jana-bola fototra amin'ireo Banky mpampindram-bola eto Madagasikara. Tanjona ny hifehezana ny sondro-bidim-piainana, izay niakatra indray tato ho ato... ♦ Olona 2 no namoy ny ainy, vokatry ny hain-trano tetsy Antsambilo, Kaominina Ivato, omaly. Tokan-trano 6 rava tanteraka, vokatr'izao loza izao... ♦ Mitombo ny fankahalàna jiosy any Royaume Uni...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...