• Efa manomana ny fanadihadiana parlemantera momba ny fahaverezan'ny 4.000 miliara Ariary teo ho eo tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, ny Antenimieram-pirenena. Izay no nanmbaran'ny filohan'ity andrim-panjakana ity, raha namaly ireo tanora Gen-Z nitsikera azy izy... • Mamolavola tetikasa hampitomboana ny vokatra kafe eto amintsika sy hanatsarana ny kalitaony ny ao amin'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo... • Manao fivoriambe ao Antsirabe nanomboka androany, ary haharitra telo andro, ireo mpanao gazety mivondrona ao amin'ny RJSET. Dinihina ny fampahafantarana ny asa vaovao sahanin'ny fikambanana iraisam-pirenena ho an'ny 2026-2027...