♦ Efa manomana ny fanadihadiana parlemantera momba ny fahaverezan'ny 4.000 miliara Ariary teo ho eo, tao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna ny Antenimieram-pirenena. Izay no nambaran'ny Filohan'ity andrim-panjakàna ity Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Mamolavola fandaharan'asa hampitomboana ny vokatra kafe eto Madagasikara sy hanatsaràna ny kalitaony ny ao amin'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo... ♦ Manao fivoriam-be ao Antsirabe nanomboka androany ary haharitra 3 andro ireo mpanao gazety mivondrona ao amin'ny RJSET. Dinihina ny fampahafantarana ny asa vaovao sahanin'ny fikambanana taona 2026-2027...