• Nahazo Eveka Mpanampy ny Arsidiosezin'i Toamasina. Notendren'ny Papa Léon XIV hisahana izany andraikitra izany i Mompera Mariusz Kasperski, teratany Polonais ary 63 taona izy ankehitriny... • Mitaky ny handravana ny Antenimieram-pirenena ny antoko Kintana sy ny vovonana RMDM. Fitiavan-tenan'ny Solombavam-bahoaka, hoy Andriamatoa Christian Tabera, ny nananganana ny vondrona VFM... • Hanao hetsika manakaiky ny vahoaka ny Hopitaly Miaramila eny Soavinandriana na ny CENHOSOA, hanamarihana ny faha-135 taona nijoroany. Nomarihina omaly ny fanokafana ny fankalazana...