• Mandalo eto Madagasikara ny delegasion'ny Antenimieram-pirenena Frantsay. Noraisin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Randrianirina Michaël, izy ireo omaly... • Hisy fikorontanana ny famatsian-drano amin'ny faritra maro eto Antananarivo, manomboka ny alatsinainy 24 aogositra 2026. Fanatsarana ny famatsiana no antony araka ny fanazavan'ny orinasa JIRAMA... • Mampiranty ny vokany eny amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka indray, hatramin'ny alahady izao, ny tantsaha mpamokatra. Nanokatra ny Rodorodon'ny Tantsaha tamin'ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo, Ramindo Gaetan...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...