• Azo atao tsara ny miroso amin'ny fifidianana amin'ny volana jolay 2027. Mbola miankina amin-javatra maro anefa izany, hoy ny KMF/Cnoe androany, manoloana ny nivoahan'ny datim-pifidianana... • Tsy maintsy hotsentsenana amin'ny fanafarana ny filana vary eto amintsika, ho fiomanana amin'ny maitso ahitra. Hisy fepetra anefa izany, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana... • Voafonja efatra no tafatsoaka teo am-panaovana “camp pénal”, tany Andaloasy Antsiranana. Nikomy sy nanafika tamin'ny fitaovana maranitra izy ireo, ka naharatra ny Lehiben'ny Camp pénal...