♦ Miakatra fitsaràna eny Anosy ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Ora vitsivitsy izay no efa nandeha ny fotoam-pitsaràna azy, momba ny resaka fanomezana baiko hampiasa hery tamin'ny hetsi-bahoaka tamin'ny taon-dasa... ♦ Nomena 15 andro hialàna eny amin'ny toby fiantsonana Fasankaràna ireo mpitatitra miasa eny an-toerana. Nasaina hifindra eny amin'ny toby fiantsonana vaovao eny Amoronankona izy ireo... ♦ Hafainganina ny fanomezana ireo hetra anjaran'ny Faritra sy ny Kaominina misy ny toeram-pitrandrahana vaventy eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola...