♦ Nihaona tamin'ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola Dokotera Ramiarison Herinjatovo Aimé ny mpiandraiki-draharaha ao amin'ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara. Vonona hanamafy ny fiaraha-miasa ara-toe-karena i Etazonia... ♦ Nanamafy ny sendika ivondronan'ny kaomiseran'ny varotra sy ny fifaninana fa natao handrindràna ny tsena anatiny ny fanafarana vary, ary misy ny arofanina amin'ny fanafarana vary gaboraraka... ♦ Mitaky ny hanomezan-danja ny vondron'olona mivoy sy efa mampihatra ny rafitra Fokonolona amin'ny fikaonandoham-pirenena ny antoko Fy-M...