♦ Mila hamafisina ny lalàm-pifidianana eto Madagasikara hoy Profesora Mahazoasy Freddy. Apetraka ny sazy toa ny fametraham-pialàna ho an'ireo kandidà tsy mahatanteraka ny fandaharan'asany hoy ity mpanao politika ity... ♦ Mijoro amin'ny fomba ôfisialy eto Madagasikara ny Fikambanana FANJIRY. Tao Andemaka, Distrikan'i Vohipeno no nanaovana ny lanonana momba izany omaly... ♦ Nisafidy ny tarika Reko, ho masoivohony vaovao mandritry ny roa taona ny orinasam-pifandraisan-davitra Orange Madagascar. Tarika manana ny lazany ankafizin'ny maro, indrindra fa ny tanora, nitsangana tamin'ny taona 2017...