♦ .Paik'ady manokana no nahitàna ilay volamena 6 kilao tsy ara-dalàna saika haondrana, tratra tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny alahady. Misy mpiasan'ny fadintseranana tafiditra tamin'ity raharaha ity.. ♦ Tapitra anio ny 7 andro nomena ireo mpitatitra eny amin'ny Fasan'ny karàna hifindràna eny Amoronankona. Mbola niziriziry tsy hiala eny an-toerana izy ireo, ka mbola nanao fitokonana omaly... ♦ Olona maromaro no niharan'ny herisetra, noho ny resaka ady tany tao amin'ny kaominina Ambatomanjaka, distrika Miarinarivo. Nikorontana ny fiaraha-monina vokatry ny didim-pitsaràna nivoaka...