• Natomboka androany teny amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena sy Kolontsaina Mahamasina, ny hetsika fanamarihana ny “Tsiahin'ny tolona 2025”, notarihin'izy telo mianadahy tao amin'ny Fikambanana Tsy manaiky lembenana... • Tsy mandà ny fanatsarana na ny fanovana ny fandaharam-pibeazana, Andriamatoa Manoro Régis, efa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, saingy ny fomba entina manatanteraka izany no tsy mety, ary tsy tokony hirotorotoana fa ilana fifampidinihana lalina izany... • Efa vonona tanteraka amin'ny seho an-tsehatra holalaovin'izy ireo eny amin'ny CC ESCA Antanimena rahampitso tolakandro, ny mpiasan'ny Radio Don Bosco...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...