♦ Novoizina tamin'ny raharaham-pirenena tato ho ato ny mety hisian'ny fanovàna ireo mpikamban'ny governemanta. Ny rivotra pôlitika no mahatonga izany fa tsy avy amin'ny mpanao pôlitika hoy ny antoko Ilo-Mada... ♦ Hisy ny fiaraha-miasan'ny Minisiteran'ny angovo sy ny fikambanana iraisam-pirenena UNOPS, hanamafisana sy hanatsaràna ny fisitràhan'ny vahoaka Malagasy angovo azo antoka sy maharitra... ♦ Misy indray ny hetsika fanaovam-baksiny faobe fanefitry ny kitrotro sy ny lefa-kozatra karakarain'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka manerana ny nosy. Natomboka teny Anosisoa Ambohimanarina, omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...