♦ 14 oktobra 1958 : Feno 68 taona anio ny nitsanganan'ny Repoblika Voalohany, any Antsohihy, Faritra Sofia no ivon'ny fankalazana... ♦ Vokatry ny loto no nahatonga ilay fahapoizinana nahazo ireo tanora mpiasa tamin'ny orinasa KONECTA teny Alarobia sy Ambohimangakely araka ny valin'ny fitiliana natao... ♦ Namoahan'ny Fitsaràna didy fikarohana (Avis de recherche) ireo teratany Sinoa miisa 11 tafavoaka antsokosoko teny amin'ny Fonjan'Avaradrano... ♦ Nanao fanambaràna ny handefa hiraka hivondronan'ny sivily sy miaramila hanamafy ny fahaiza-manaon'ireo tafika Libanaises ny vondrona Eoropeanina...