♦ Nosokafana tamin'ny alalan'ny matso nataon'ny foloalindahy ny fankalazana ny faha-68 taona nijoroan'ny Repoblika Voalohany, hotohizana amin'ny fametrahana fehezam-boninkazo eny amin'ny tsangambato fahatsiarovana sy ny fitsidihana ny tranon'ny filoha teo aloha Philibert Tsiranana izany... ♦ Distrika telo no nahitana tranga voamarina ny aretina pesta dia ny ao Ankazobe, Anjozorobe ary Ambohimahasoa hoy ny fampitam-baovaon'ny MinSan... ♦ Sazy an-tranomaizina 4 taona miampy lamandy 20 tapitrisa ariary sy onitra 1 miliara ariary no nomen'ny Fitsaràna an'i Tahina Bonheur et Loyauté, noho ny fanevatevana olom-panjakàna...