♦ Namory vahoaka teny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina ny fikambanana Ambalambahoaka nanamarihana ny datin'ny 14 oktobra. Nanambara ny mpitarika fa natao tohatra fiakarana izy ireo teo aloha ka tokony hohenoin'ny fitondrana amin'izay ny feony... ♦ Mitaky ny hananganana ny rafitra Fokonolona ny vovonana ho an'ny femerenan-kasina ny Fokonolona (VFKF) sy ny Hetsika Kristianina ho an'ny Fampiraisana ny Firenena (HFKF)... ♦ Mitaky ny hamerenana ny tany 665 Ha amin'izy ireo ny Fikamban'ny Tantsaha Faharetana (FITAFA) ao Morarano Arivonimamo. Nihaona tamin'ny Ben'ny Tanàna izy ireo nitaky ny zony...