♦ Tsy nisy nijery ny tombontsoa an'ny vahoaka tamin'ireo fifanarahana nataon'ny orinasa JIRAMA ireo mpitondra rehetra nifandimby teto amin'ny Firenena hoy ny tatitra nataon'ny cours des comptes tany Toamasina ny faran'ny herinandro teo... ♦ Herinandro mialoha ny fotoam-pitsaràna, nanao antso tolo-tanana afahan'izy ireo maka mpisolovava hiaro azy, ny fianakavian'ireo niharam-boina sy ny namoy ny ainy tamin'ilay raharaha tsingerintaona mainty teny Ambohimalaza... ♦ Voarara eto amin'ny tanin'ny repoblikan'i Madagasikara ny fanambadiana eo amin'ny olona mitovy fananahana, nilaza handray andraikitra ny Minisitera...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 novambra 2026

• Mahaiza miaina amim-pilaminana ary samia manao tsara ny asany. Io no hafatra nanentanan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny mpino rehetra, taorian'ny Fivoriambe izay notanterahin'izy ireo teto Antananarivo… • Nifarana omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, izay notanterahana tany amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra 1126 no niatrika izany… • Làlana iray itomboana ny aretina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...