♦ Manomboka ny fisoratana anarana ho an'ireo tanora Malagasy hiatrika ny JMJ eran-tany any Séoul Korea-Atsimo amin'ny taona 2027. Nampahafantatra izany ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Tanora omaly... ♦ Mitarazoka ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, manahy ny hisian'ny fitanilana ny iraky ny SADEC tonga eto Madagasikara, hoy ny IFR. Nihaona tamin'izy ireo ny avy amin'ity vovonana pôlitika ity, omaly... ♦ Handray andraikitra hisian'ny fifaninanana ara-dalàna ny ministry ny fitanterana, noho ny fitarainan'ny fikambanan'ny Taxi eto Antananarivo. Hisy ny fampiantsoana ireo ben'ny tanàna voakasik'izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 novambra 2026

• Mahaiza miaina amim-pilaminana ary samia manao tsara ny asany. Io no hafatra nanentanan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny mpino rehetra, taorian'ny Fivoriambe izay notanterahin'izy ireo teto Antananarivo… • Nifarana omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, izay notanterahana tany amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra 1126 no niatrika izany… • Làlana iray itomboana ny aretina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...