♦ Tsy mbola hita soritra ny marina nandritry ny fiakaran'ireo olona voarohirohy tamin'ny raharaha fanapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Ambohimalaza teo anatrehan'ny Fitsaràna. Samy nandà ny fiampangana azy avokoa ireo olona nanontanian'ny mpitsara... ♦ Manana ambasadaoro voavao miasa sy monina eto Madagasikara i Chine sy Ejipta. Nanolotra ny taratasy manendry azy ho amin'izany andraikitra izany tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana izy ireo... ♦ Hitombo 12 isaky ny alina ny pharmacie mpiandry raharaha hiasa ao an-drenivohitra manomboka ny sabotsy 21 novambra 2026, hoy ny Holafitry ny Pharmaciens...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 novambra 2026

• Mahaiza miaina amim-pilaminana ary samia manao tsara ny asany. Io no hafatra nanentanan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny mpino rehetra, taorian'ny Fivoriambe izay notanterahin'izy ireo teto Antananarivo… • Nifarana omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, izay notanterahana tany amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra 1126 no niatrika izany… • Làlana iray itomboana ny aretina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...