♦ Nitafa tamin'ny vahoaka malagasy alina ny filoham-pirenena Andry Rajoelina manoloana ny firongatry ny valan'aretina Covid. Nambarany fa hampiharina eto amin'ny faritra Analamanga isaky ny sabotsy sy ny alahady ny fihibohana tanteraka... ♦ Miisa 88 sy 500 ny ranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus ny sabotsy teo tamin'ny fitiliana miisa 1.696, sitrana 327, miisa 04 no lavon'ny aretina... ♦ Miandrandra fampandrosoana tsy mitanila sy ny fampiasana ara-drariny ny fitaovana fanamboaran-dalana avy amin'ny fitondram-panjakana ny député an'i Soavinandriana... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...