♦ Ny eo anivon'ny Covax, izay mpiara-miasa nanafarantsika vakisiny mihitsy, no misy dingana tsy maintsy arahana, hanaovana fanadihadiana lalina ny amin'ilay dokotera namoy ny ainy tany Fianarantsoa, tao aorian'ny nanaovana vakisy Coivshield azy... ♦ Fandrosoan'ny demôkrasia eto Madagasikara ny fahalanian'ny lalana mifehy ny mpanohitra, teny amin'ny Andenimieran-doholona androany, ary tombony sy fanomezana sehatra ao anatin'ny ara-dalana ny antoko mpanohitra, hoy ny Solombavam-bahoakan'Ikongo, izay nanolotra ity tolo-dalana ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...