♦ Ho dinihan'ireo loholona mandritra ny fivoriambe azon'ny be sy ny maro atrehina, anio, ny volavolan-dalàna momba ny fametrahana ny faritra faha23 eto Madagasikara... ♦ Niafara tamin'ny faharatrana olona 12 sy fisamborana olona 09 ny fifandonana teo amin'ny mpianatry ny Oniversiten'i Maninday sy ny mpitandro filaminana. Namory ny ministry ny toe-karena sy ny ministry ny fampianarana ambony ny Praiministra ho famahana ny olana... ♦ Nanao fifanarahana fiaraha-miasa ny orinasa jirama sy ny Green Yellow Madagascar, hanitarana ny foibe famokarana herinaratra ao Ambatolampy... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...