♦ Hikatona amin'ity anio ity ny fivoriana ara-potoanan'ny Antenimiera mpanao lalana. Ho faranana amin'ny fametraham-panontanian'ny Solombavam-bahoaka amin'ireo Ministra izany, ho an'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Hanomboka amin'ny tapatapak'ity volana ity ny fitateram-bahoaka mampitohy an'Ivato - Tsarasaotra - Ankorondrano. Orinasam-pitaterana hanolotra tolo-draharaha raitra no hitrandraka izany zotra izany...