♦ Niezaka nanohana ilay tetik'asa "téléphérique" omaly ny filoham-pirenena, tamin'ny lahateniny tamin'ny fahatongavany avy any ivelany. Hanafatra entana, entina sambo 20 isa ny fanjakàna hanamaivanana ny fiakaran'ny vidim-piainana... ♦ Niakatra fitsaràna teo anivon'ny PAC eny amin'ny 67 ha omaly ny raharaha mahavoasaringotra ny tale jeneralin'ny CNaPs teo aloha sy olona 7 hafa... ♦ Nahatratra 206 ireo lozam-pifamoivoizana nitranga teto amintsika tao anatin'ny 3 volana. Maherin'ny 100 ny olona namoy ny ainy, raha ny tatitry ny zandarimariam-pirenena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...