♦ Hiakatra fitsaràna anio raha tsy misy ny fiovàna ny raharaha Apollo 21, nitranga ny volana jolay lasa teo... ♦ Miverina mirongatra indray amin'izao ankatoky ny fetin'ny Noely sy ny faran'ny taona izao ny Covid eto Madagasikara. 470 ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina tamin'ny herinandro teo, Antananarivo no ivony... ♦ Mitaky ny fametraham-pialàn'ny mpitantana tsy mahavaha ny olan'ny vahoaka ny RMDM. Tontosa tamin'ny sabotsy ny fanangonana fanampiana ho an'ireo may trano tao Farafangàna...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...