Ho raisin’ny ao ROME ny fanamarihana ny fahefa-taonan’ilay fihaonana manan-tantara tany CUBA teo amin’i Papa François sy ny Patriarka KIRILL, lehiben’ny fiangonana orthodoxe rosiana.

Fihaonana izay nanokatra pejy vaovao eo amin’ny fifandraisan’ny eglizy 2 tonta. Marihana isan-taona io tsingerin-taona io ary atao hanamafisana ireo lohahevitra vaoarika tamin’ny fanambarana iombonana. Notanterahina tao Fribourg, tsiahivina, ny tsingerina-taona voalohany tamin’ny 2017. Tany Vienne kosa ny faharoa tamin’ny 2018. Natao tany Moscou ny fanamarihana fahatelo ary izao ho tanterahina any Rome izao ny fahefatra. Hihaona amin’i Papa François rahampitso alakamisy ao Vatican ny filohan’ny departemanta misahana ny fifandraisana amin’ny firenen-kafa eo anivon’ny Patriarkàn’i Moscou, ny métropilite Hilarion. Mialoha izany anefa dia hihaona amin’i Kardinaly Kurt Koch, filohan’ny filankevitra paontifikaly misahana ny fampiombonana ny mpino kristianina ny tenany. Notsiahivin’i Kardinaly Kock moa ny vontoatin’io fihaonana tany La Havane any Cuba io ka isan’ny navoitra ny tamin’izany ny nitondrana ireo “reliques” an’i Masindahy Nicolas tany Moscou sy Saint-Petersbourg tamin’ny taona 2017. Niarahan’ny orthodoxe sy ny katolika tany Russie ny fanomezam-boninahitra izany tamin’io fotoana io.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...