Vonona hatrany hanohana sy hikarakara ny marary sy ireo olona marefo ao amin’ny faritr’i GAZA ny CARITAS ao Jerosalema. Nanamafy izany ny tale mpanatanterak’io sampana mpanao asa soa io.

Ny faritra GAZA izay ahitana olona mararin’ny covid-19 miisa 55 ankehitriny. Manana ekipa 2, mpiasan’ny fahasalamana io CARITAS any Jerosalema io ary mitety tanàna sy manao sy fizaham-pahasalamana amin’ireo mponina lalovany. Mizaha marary 300 isan’andro eo izy ireo amin’izany. Efa noraisina avokoa, hoy io tale mpanantanteraka io ny fepetra rehetra hisorohana ny fiparitahan’ny tsimokaretina amin’izao fotoan’ny valanaretina izao. Miisa 2 tapitrisa any ho any ankehitriny ny mponina ao amin’ny faritra GAZA. Miankina amin’ny fanampiana ho an’ny mahaolona ny 80 isanjaton’izy ireo ary tsy afaka misitrakany rano madio fisotro ny 9 isanjaton’ny mponina. Faritra azo lazaina ho tsy nahitana firy ny coronavirus ny tao GAZA hatramin’izay nipoirany tany Chine. Nanomboka tamin’ny herinandro teo anefa dia nahazo vahana ny fisian’ny trangan’aretina, taorian’ny fodian’ireo gazaouis miisa dimanjato sy arivo tafahitsoka tany ivelan’io faritra misy azy ireo io, noho ny fisian’ny tsimokaretina coronavirus.

 

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...