Manao adisisika amin’ny tokony hampihenana ny trosan’i Afrika amin’ireo firenena matanjaka, manoloana ny voka-dratsy ateraky ny covid-19 amin’ny fiainan’ny vahoaka afrikanina ireo Evekan’i Afrika mivondrona ao amin’ny SCEAM (Symposium des Conférences Episcopales d’Afrique et de Madagascar).

Maro ireo firenena afrikanina no mandany ny ankamaroan’ny vola miditra aminy amin’ny fanefana trosa amin’ireo mpampindram-bola iraisam-pirenena. Mampihena ny tetibolam-panjakana ilaina amin’ny fiahiana ny mponina ao aminy, toa ny sehatry ny fahasalamana sy ny fanabeazana izany. Noho izany indrindra no nahatonga ny Arsevekan’i Ouagadougou, ny Kardinaly Philippe Ouédraogo izay filohan’ny SCEAM ankehitriny, nampahafantatra io antson’ny Eglizy afrikanina amin’ny tokony hanafohanana na hampihenana ny trosan’i Afrika io. Isan’ny navoitrany tamin’ny hafatra ho an’ny Pantekôty teo moa ny momba izany antso izany. Nomarihan’ny SCEAM fa ambany kokoa ny tahan’ny olona matin’ny covid-19 aty Afrika raha mihoatra amin’ny kaontinanta eraopeana sy amerikanina. Na izany aza anefa, mafy kokoa ny fiantraikan’io valanaretina io ho an’ny kaontinanta afrikanina, araka ny efa nambaran’ny Caritas iraisampirenena.   

 

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...