Marihina isaky ny 12 jona ny andro erantany hiadiana amn'ny fampiasana ankizy. Miantso ny tompon'andraiki-panjakana i Papa François mba hitady vahaolana handresena izany. 

Miantso ny andrim-panjakana rehetra mba hijery ny tokony hatao manoloana ny olana ara-toekarena sy sosialy izay mitarika amin'ny fampiasana ankizy i Papa François, tamin'ny "Audienc" Générale" notarihany tamin'ny alarobia teo. Ny fampiasana ankizy izay miendrika fanandevozana indraindray. Ho avin'ny fianakaviana ny ankizy, hoy izy, ka anjarantsika no miantoka ny fitomboany sy ny fahasalamany. Noho izay olana ara-toekarena sy sosialy izay anefa, hoy hatrany ny Papa, dia tsy afaka misitraka ny fahazazany ireo ankizy ary ny fitomboany manontolo mihitsy no voatohintohina amin'izany. Hita amina firenena maro maneran-tany ny ankizy sy ny tanora voatery manao asa tsy mifanaraka amin'ny taonany, ho fanampiana ny fianakaviany izya miaina anaty fahantrana lalina. Tranga maro, hoy ny Papa, no isehoan'izany amin'ny endrika fanandevozana ka misy vokany ara-batana sy ara-tsaina izany. Ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT), tsiahivina no nametraka io datin'ny 12 jona ho andro erantany hiadiana amin'ny fampiasana ankizy io. Raha ny tatitry ny OIT moa dia ankizy miisa 152 tapitrisa any ho any hita amin'ny sehatry ny asa ankehitriny ka ny 72 tapitrisa amin'ireo no miasa amina sehatra mampidi-doza azy ireo.

 

 

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...