Tsy afaka nanatanteraka ny fankalazana ny Alahadin’ny Vatana aman-dRà Masin’i Kristy tamina paroasy iray amin’ny diosezy iadidiny ao Rome i Papa François, omaly, fa nijanona tao amin’ny Bazilikan’i Masindahy Piera.

Fepetra noraisina noho ny mbola fampiharana ny fepetra hiarovana amin’ny fihanaky ny tsimokaretina coronavirus. Voafetra ihany koa ny kristianina afaka nanatrika izany mivantana. Niisa 50 teo ho eo izy ireo ary nanaja hatrany ny elanelana, araka ny fepatra efa napetraka. Nifantoka tamin’ny hevitry ny « Eokaristia » ny fampianarana nataon’ny Papa nandritra ny toriteniny. Tsy fahatsiarovana tsotra fotsiny, hoy izy, ny Eokaristia fa zavatra misy. Zavatra misy izay mampifandray antsika amin’Andriamanitra sy amin’ny hafa. Tsy mijanona fotsiny amin'ny teny sy fihetsika izay mety ho adino anefa izany fahatsiarovana izany, hoy hatrany Papa François, fa Sakafo, Mofo misy an'i Kristy, velona sy ao miaraka amin'ny fitiavany. Nofaranana tamin’ny Fitsahona ny Sakramenta Masina sy ny fanomezan'i Papa ny tsodrano eokaristika ny fotoana tamin'io omaly io.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...