Tsy afaka nanatanteraka ny fankalazana ny Alahadin’ny Vatana aman-dRà Masin’i Kristy tamina paroasy iray amin’ny diosezy iadidiny ao Rome i Papa François, omaly, fa nijanona tao amin’ny Bazilikan’i Masindahy Piera.

Fepetra noraisina noho ny mbola fampiharana ny fepetra hiarovana amin’ny fihanaky ny tsimokaretina coronavirus. Voafetra ihany koa ny kristianina afaka nanatrika izany mivantana. Niisa 50 teo ho eo izy ireo ary nanaja hatrany ny elanelana, araka ny fepatra efa napetraka. Nifantoka tamin’ny hevitry ny « Eokaristia » ny fampianarana nataon’ny Papa nandritra ny toriteniny. Tsy fahatsiarovana tsotra fotsiny, hoy izy, ny Eokaristia fa zavatra misy. Zavatra misy izay mampifandray antsika amin’Andriamanitra sy amin’ny hafa. Tsy mijanona fotsiny amin'ny teny sy fihetsika izay mety ho adino anefa izany fahatsiarovana izany, hoy hatrany Papa François, fa Sakafo, Mofo misy an'i Kristy, velona sy ao miaraka amin'ny fitiavany. Nofaranana tamin’ny Fitsahona ny Sakramenta Masina sy ny fanomezan'i Papa ny tsodrano eokaristika ny fotoana tamin'io omaly io.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...