Manahy amin’ny mety hisian’ny resaka kolikoly ao anatin’ny ady amin’ny coronavirus ny eo anivon’ny Fiketrahana Masina.

Fanamarihana nentin’ny solontenan’i Vatican eo anivon’ny OSCE na ny « Organisation pour la Sécurité et le Coopération en Europe » izany, ny alatsinainy teo, nandritra ny « vidéoconférence » niarahany tamin’io sampan-draharaha misahana ny fiarovana sy ny fiarahamiasa amin’i Eraopa io. Mety hampirongatra ny kolikoly, hoy Monseigneur Janusz Urbanczyk, izay vanim-potoanan’ny valanaretina covid-19 izao. Vontoatin’io « vidéoconférence » io moa ny fanomanana ny andiany faha-28 amin’ny fikaonandoha ara-toekarena sy ara-tontolo iainanan’ny OSCE. Hita taratra ankehitriny, hoy izy, ny fisian’ny fiovàna samihafa eo amin’ny lafiny sosialy, toekarena sy tontolo iainana. Tsy azo lavina fa iray amin’ireo ratra goavana manimba ny fiarahamonina ny kolikoly, miteraka fahavoazana maro na eo amin’ny lafiny etika na ara-toakerana. Notsiahivin’io delegasion’ny Fiketrahana Masina io ny fanamarihana nataon’i Papa François nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpiasan’ny « Cour des comptes » italiana tao Vatican, ny 18 marsa 2019. Nambarany tamin’izany fa mampihetry ny fahamendrehan’ny olombelona sy manimba ny tsara rehetra ny kolikoly. Manana andraikitra hiady amin’izany ny fiarahamonina manontolo.  

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...