Manohana hatrany ireo rehetra miasa amin’ny sehatry ny ranomasina i Papa François.

Navoitrany tamin’ny hafatra an-tsary nalefany ho azy ireo ny maha-zavadehibe ny asa an-dranomasina sy ny mpanjono noho izy ireo mamatsy ara-tsakafo sy mitondra vokatra hafa ilaina amin’ny fiainana andavanandron’ny olombelona. Hafatra mifono fankaherezana, indrindra amin’izao fotoana hanjakan’ny covid-19 izao. Miantrana am-bava loza ireo mpisehatra amin’ny tontolo an-dranomasina ireo, hoy Papa François, ary enta-mavesatra ho azy ireo ny tsy maintsy hanalavirany ny fianakaviany sy ny tany niaviany ary ny tahotra amin’ny mety hifindran’ny tsimokaretina amin'izao fisian'ny valanaretina izao. Mitondra am-bavaka anareo hatrany aho, hoy iny Papa, nampahatsiahy fa mpanjono avokoa ny mpianatr’i Jesoa. Tsy adinony koa ny nanankina ireo mpiantsehatra amin'ny tontolon'ny ranomasina ireo amin'i Masina Maria Kintan'ny Ranomasina.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...