Nanamafy hatrany ny firaiketam-pony amin'ny fiahiana ny mpitsoa-ponenana sy ny fiarovana ny tontolo iainana i Papa François, taorian'ny vavaka Angélus notarihany teo amin'ny kianjan'i Masindahy Piera, omaly alahady.

Nasiany teny koa ny fetin'ny ray izay nankalazain'ny firenena maro, tamin'io omaly 21 jona io hatrany. Zavadehibe, hoy ny Papa,  ny fiahiana ny mpitsoa-ponenana mba hananan'izy ireo antoka ny fahamendrehany sy ny fiarovana azy, indrindra amin'izao fotoan'ny valanaretina izao. Nanentana ny rehetra hiara-hivavaka aminy i Papa François mba hisian'ny fanavaozana ny fiahiana ny olombelona, indrindra ho an'ireo voatery mandositra sy mandao ny toeram-ponenany sy ny fianakaviany noho ny antony goavana. Nomarihana tamin'ny sabots 20 jona teo, tsiahivina, ny andro erantany ho an'ny mpitsoa-ponenana, araka ny daty nametrahan'ny Firenena Mikambana azy. Nomarihan'i Papa tamin'io fotoana io koa ny fisian'ny fifandraisana eo amin'ny olombelona sy ny tontolo iainana. Lafitsaran'ny fihibohana noho ny valanaretina, hoy izy, ny fihenan'ny fandotoana ny tontolo iainana ka nahafahana nahita indray ny hakanton'ny toerana sasany, tsy nahitana fifezivezen'ny fiara sy tsy naharenesana ny tabataba samihafa. Amin'izao fiverenana amin'ny andavanandro izao, hoy hatrany izy, dia tokony ho tompon'andraikitra amin'ny fikajiana ny tranobe iombonana ny rehetra. Namaranany ny fotoana ny fitondrana am-bavaka ireo raim-pianakaviana nankalaza ny fetiny tamin'io alahady 21 jona io.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...