Feno 50 taona katroka androany 13 desambra ny nanamasinana ho pretra an'i Jorge Mario Bergoglio izay lasa Papa François ankehitriny. Fanamasinana, 4 andro mialoha ny nanamarihany ny faha-33 taonanahaterahany.

Ny famindrampon'Andriamanitra hatrany, hoy izy, no mamaritra ny fiainana maha-pretra azy. Mahafoy ny zava-drehetraary manokana ny fiainany ho an'ny hafa ny pretra, hoy hatrany ny Papa. Toa an'i Jesoa Mpiandry ondry tsara dia tokony ho olon'ny famindrampo,manompo ny rehetra ary akaikin'ny ondriny mandrakariva ny pretra, hoy Papa François manentana azy ireo. Manentana hatrany ny kristianina, indrindra ny mpino katolika, hanohana am-bavaka ny pretra koa izy. Tsy mangina fotsiny manoloana ny "habibiana" ataon'ny pretra sasany amin'ny fanararaotana i Papa François ary manamafy hatrany ny firaisampony amin'ireo izay lasibatr'izany. Tsy adinony koa anefa ny fisian'ny pretra maro mizaka ny vesatry ny heloka tsy nataony akory. Misy amin'izy ireny no mahafoy ny ainy noho ny asany any amin'ny faritra tsy vonona ny handray azy. Misaotra sy mankasitraka ary mankahery azy ireny  amin'ny ohatra asehony ny Papa.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...