Naneho ny firaisampony amin'ireo rehetra voakasik'ilay horohorontany nahery vaika nitranga tany atsimon'i Mexique omaly talata i Papa François, tamin'ny famaranana ny "Audience Générale" androany.

Nahatratra 7,5 Richter ny herin'io fihetsehan'ny tany io ary nahare izany avokoa hatrany amin'ny 700km manodidina ny foibeny. Olona 6 hatramin'izao no voalaza ho namoy ny ainy ary maro ny fahasimbana tamin'ny fotodrafitrasa samihafa ka isan'ny niharan'izany ny fiangonana. Isan'ny firenena efa notsidihan'i Papa François tamin'ny volana febroary 2016 moa i Mexique. Efa foana ankehitriny ny fampitandremana tamin'ny mety ho nisian'ny "tsunami" taorian'io horohorontany tany atsimon'i Mexique io. Matetika hitrangan'ny horohorontany io firenena io. Nanomboka ny taona 1985 no mankaty dia efa maherin'ny iray alina ireo olona namoy ny ainy vokatr'izany tany Mexique. Nahery indrindra tamin'izany ny horohorontany nitranga tamin'ny 13 septambra 2017, niteraka fahasimban-javatra maro ary nahafatesana olona niisa 360 sy naharatrana 6.000 hafa.

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...