Nofaranan’i Papa François tamin’ny fanentanana hivavaka ho an’i SYRIE sy ny ankizy any YEMEN ny vavaky ny Angélus, teo amin’ny Kianjan’i Masindahy Piera, omaly alahady.

Nofidiany manokana ireo firenena 2 ireo noho izy ireo anjakan’ny ady ka mahatonga ny toe-draharaha mahaolona ho tandindomin-doza. Notsiahivin’i Papa tamin’io ny hisian’ilay fikaonadoha faha-4 ho tanterahina any BRUXELLES rahampitso talata, hanindihana ny momba an’i SYRIE. Fikaonandoha izay antenaina fa hanatsara ny toe-draharaha iainan’ny vahoaka siriana sy ireo mpifanolobodi-rindrina aminy, toa ny ao Liban. Tompo-marika amin’ny fikarakarana izany ny Vondrona Eraopeana sy ny Firenena Mikambana. Tsiahivina fa efa nahazoana vola 7 miliara dolara ny fivoriana notanterahina tahaka izao tamin’ny taon-dasa ka nahafahana nanampy ny vahoaka siriana izany. Nanentana mba hivavaka ho an’ny vahoaka any YEMEN koa ny Papa, indrindra ho an’ny ankizy izay tena lasibatra amin’ny krizy vokatry ny ady an-trano any an-toerana, nanomboka ny taona 2014. Vao tsy ela akory izay no nampitandrina amin’ny fisian’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny ankizy yéménites ny UNICEF. Ankoatra an’i SYRIE sy YEMEN, nangata-bavaka ho an’ny mponina lasibatry ny tondradrano any amin’ny faritra andrefan’i UKRAINE koa i Papa François tamin'io omaly io.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...