Nofaranan’i Papa François tamin’ny fanentanana hivavaka ho an’i SYRIE sy ny ankizy any YEMEN ny vavaky ny Angélus, teo amin’ny Kianjan’i Masindahy Piera, omaly alahady.

Nofidiany manokana ireo firenena 2 ireo noho izy ireo anjakan’ny ady ka mahatonga ny toe-draharaha mahaolona ho tandindomin-doza. Notsiahivin’i Papa tamin’io ny hisian’ilay fikaonadoha faha-4 ho tanterahina any BRUXELLES rahampitso talata, hanindihana ny momba an’i SYRIE. Fikaonandoha izay antenaina fa hanatsara ny toe-draharaha iainan’ny vahoaka siriana sy ireo mpifanolobodi-rindrina aminy, toa ny ao Liban. Tompo-marika amin’ny fikarakarana izany ny Vondrona Eraopeana sy ny Firenena Mikambana. Tsiahivina fa efa nahazoana vola 7 miliara dolara ny fivoriana notanterahina tahaka izao tamin’ny taon-dasa ka nahafahana nanampy ny vahoaka siriana izany. Nanentana mba hivavaka ho an’ny vahoaka any YEMEN koa ny Papa, indrindra ho an’ny ankizy izay tena lasibatra amin’ny krizy vokatry ny ady an-trano any an-toerana, nanomboka ny taona 2014. Vao tsy ela akory izay no nampitandrina amin’ny fisian’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny ankizy yéménites ny UNICEF. Ankoatra an’i SYRIE sy YEMEN, nangata-bavaka ho an’ny mponina lasibatry ny tondradrano any amin’ny faritra andrefan’i UKRAINE koa i Papa François tamin'io omaly io.

 

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...