Nanavao ny hetsika fambolen-kazo ato anatin’ny 3 taona vaovao ny Fiangonana Katolika any Pakistan. Fambolen-kazo ho tanterahina ato anelanelan’ny taona 2020 sy 2022.

Mahavelom-bolo ny nahavitana namboly zanakazo miisa iray tapitrisa ho an’ny 3 taona teoa loha ka nahatonga izao fanapahan-kevitra vaovao izao indray izany. Tanjona ny hahavitana mamboly zanakazo miisa iray tapitrisa vaovao indray ato anatin’izay 3 taona ho avy izay. Nitarika izay fambolen-kazo andiany faharoa izay ny Kardinaly Joseph COUTTS, arsevekan’i KARACHI. Andaniny, maneho ny fiaraha-mientan’ny ankohonam-piainana katolika any PAKISTAN amin’ny ady amin’ny fiafanan’ny toetany sy ny ho fiahiana ary fanajana ny voahary, araka ny fanentanana nataon’i Papa François ao amin’ny “Laudato Si” izao hetsika izao. Ankilany kosa dia fandraisana andraikitra amin’ny hisian’ny fiadanana sy fampihavanana any Pakistan izay firenena maratran’ny herisetra, izao hetsika fambolen-kazo izao. Safidy iraisan’ny mpino kristianina sy ny mpino silamo ny fambolena ny hazon’oliva noho io hazo io mariky ny fiadanana sy anehoan’izy ireo ny fahavononana hanangana filaminana ara-tsosialy sy ara-pivavahana. Ahitana izay fambolen-kazon’oliva izay amin’ireo sampanasa kristianina sy silamo. Isan’izany ny sekoly, mba hahaizan’ny mpianatra miaina ny mahaolona tia ny fiadanana sy ny filaminana.   

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...